Mofonaina 6 Août 2023: 1Sam 17³¹-³⁷
Ny nandresen’i Davida an’i Goliata no fototry ny mofonaina anio sy ampitso. Noho izany, Vakio tokoa.37, vita anio koa ny ampitso.
Rehefa mandinika tsara isika, tsy adin’ny Filistina sy Isiraely no eto fa adin’ny andriamanitra tsy izy sy Jehovah Andriamanitra, Tompo Tsitoha. Araka izany, tsy fandresen’i Davida an’i Goliata, fa fandresen’i Jehovah Tompon’ny maro.
Ireto no manamarina izany:
Tenin’i Goliata:
And.43: “…Alika angaha aho, no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ary nanozona an’i Davida tamin’ireo andriamaniny ilay Filistina…” Maro izany no andriamanitra tompoin’ny Filistina. Toy izany koa ny firenena maro, manompo andriamanitra maro. Mety ho izany koa ny antsika.
Tenin’i Davida:
And.26: “Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona?”
And.36-37: “…satria nihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona izy…Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io.”
And.45-47: “…fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tanako…fa an’i Jehovah ny ady…”
Velona Jehovah, Andriamanitra Tokana, Andriamanitra mahery Tsitoha.
Natolotr’i Jehovah Tompon’ny maro an’i Davida i Goliata, natolony ho an’ny Isiraely ny Filistina. Herin’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha izany, fa tsy herin’olombelona. Tsy ny fitaovam-piadiana, fa herin’i Jehovah.
HAFATRA.
Miantso antsika hatrany ny Tompo Tsitoha, Adonaï Tsebaoth, Dieu Omnipotent. IZY ILAY MAHERY. Minoa sy matokia AZY, momba izay mandeha amin’ny anarany IZY.
Ho AZY irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires