Mofonaina 5 Août 2023: Gen 39⁷-¹⁰
Josefa niorina tamin’ny finoana ka tsy namadika ny tompony hatramin’ny farany, na dia gadra aza no vokatr’izany.
Rehefa namidy i Josefa dia lasan’i Potifara, tandapan’i Farao. Nomba an’i Josefa tokoa Jehovah ka nambinina izay rehetra nananan’ny tompony na antsaha na an-tanàna. Vokatr’izany dia nankininy tamin’i Josefa avokoa ny fananany rehetra. Natoky tanteraka an’i Josefa izy. Ny vadiny kosa anefa nifanohitra tamin’izany. Nitsiriritra tanteraka an’i Josefa ravehivavy, ary naniry indrindra ny hiray aminy. Nitady ny fomba rehetra hahatanteraka izany izy, fa Josefa nandà hatramin’ny farany. Mazava ny tenin’i Josefa araka ny and.8-9: ” Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra? Tsy ota amin’ny tompony fotsiny izany araka ny teniny, fa ota eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Satria ny Fanahy no ambony sady sarobidy ka tsy maintsy resena ny filan’ny nofo. Manohitra ny nofo rahateo ny Fanahy ary mifanohitra izy roroa (Gal 5¹⁷). Fandresena hatrany no azon’ny mino, dia Josefa.
Araka ny tohin’ny tantara, dia nofitahin-dravehivavy Josefa. Rehefa tsy nanaiky ny sitrapony dia nosamboriny ny akanjony, ary nampangainy ho nitady handry aminy. Vokatr’izany, lasa tany amponja. Kanefa na izany aza, Jehovah nomba azy hatrany. Ny mpiandry tranomaizina indray no nahita ny aminy ka nanankina taminy ny voafonja rehetra.
Ny finoana tsy mihevitra afa-tsy ny soa sy ny tsara. Ny mino dia mahalala an’i Jehovah tsara sady mpanao ny tsara. Noho izany fahalalana AZY izany dia manahaka AZY hanao ny tsara koa.
HAFATRA
Ny mino dia manana an’i Kristy ao anatiny, araka ny Gal 2²⁰. Izay sitrak’i Kristy ao anaty no tsy maintsy atao.
Ho an’Adriamanitra irery ny vonina

Source