DEOTERONOMIA 10.12-19
Ny olona nofidin’Andriamanitra
« koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo » (and16) .Efa zatra ary nanaja ny fitsipika momba ny famorana ny zanak’Israely saingy endrika ivelany fotsiny ihany fa tsy lalim-paka tao am-po ny toetra naterak’izany .Eto dia takiana amin’ny zanak’Israely mba hamorany ny fony , izany hoe : hiaina amin’ny fahatsoram-po sy fahamarinana araka ny didin’Andriamanitra .Ny olom boafidin’Andriamanitra araka izany dia manana ny toetra sy fomba mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Tsy olona maditra na mpanohitra ny sitrapon’Andriamanitra akory ny olona nofidiny fa olona mpanatanteraka ny sitrapony. Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana miaina ny sitrapon’Andriamanitra .
2-Tia ny olona rehetra
« Koa tiava vahiny , fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo« (and19) .Toetran’Andriamanitra ny tia ny olona rehetra ,tsy mizaha tavan’olona.Tian’Andriamanitra ho tahaka izany ihany koa ny zanak’Israely dia ny fitiavana ny mahantra sy ny vahiny. Andriamanitra rahateo mihaino ny feon’ny olona mahantra sy ampahoriana ka mamaly heloka. Noho izany , tsy maintsy tia ny karazan’olona rehetra ny olom-boafidin’Andriamanitra satria izany no toetran’Andriamanitra . Mila mitovy toetra amin’Andriamanitra ny olom-boafidiny .Tsy ho hain’ny olona amin’ny fiezahan’ny tenany manokana anefa izany fa mila ny asan’ny Fanahin’i Kristy .Jesoa Kristy irery no manana izany toetra tsy mizaha tavan’olona izany ka izay rehetra te-hanana izany toetra izany dia tsy maintsy mino Azy .Koa minoa an’i Kristy dia hahay hitia ny olona rehetra ianao .
Fanontaniana :
Inona no sakana ka tsy itiavanao ny sokajin’olona rehetra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM