Mofonaina 16 Jolay 2023: 1Mpanj 11²⁹-³⁹
Rehefa mandinika tsara ity mofonaina ity isika dia hahatakatra sy hahatsapa fa ny fanesorana ny fifidianana nataon’i Jehovah tamin’ny taranak’i Davida ka hifindra ho amin’i Jeroboama no ao. Nahoana no manatsoaka ny fifidianana i Jehovah ? Fa tsy IZY ve no mpamantatra ny voa sy mpandinika ny fo?
Tena mahalala ny zavatra rehetra IZY, Saingy miala nenina sao mba hibebabaka na hiala amin’ny ota ny mpanota. Nifidy an’i Jodasy Jesoa. Tsy hoe ny fantany ny maha-devoly azy. Tena hainy tsara mihitsy (Jao 6⁷⁰), kanefa nofidiny ho Apostoly, ho mpitahiry vola, Saingy nandà an’i Jesoa. Loza ny fiadanan’ny fiainana: namono tena (Mat 27⁵)
Fa inona kosa no tena faharatsian’i Solomona ka nanesorana ny fifidianana azy?
Baiko sy didy ny tsy hanambady vehivavy hafa firenena, fa ho voataona hanompo ny andriamaniny (Eks 34¹⁶). Ny fijangajangana voalaza eto dia fijangajangana ara-panahy fa tsy ara-nofo. Mbola zavatra azon’i Jehovah nandeferana ny nanambadian’i Solomona arivo (1Mpanj 11³), fa ny nanaovany fitoerana avo ho an’ny sampy no tsy zakany mihitsy (and.7-8, 33). Toy izany koa Jodasy: tsy nampaninina an’i Jesoa ny nivarotany AZY tamin’ny sekely volafotsy telopolo, fa ny namonoany ny tenany no tena ratsy indrindra.
Ry havana,
Nifidy anao ny Tompo. Tsy misy antony hafa, tsy noho ny fahatsaranao na fanananao na fahaizana amam-pahendrena. Tsia, tsy izany velively. Tiany ianao dia nofidiny. Tiany hiala amin’ny faharatsiana sy ny haizina ka hohatsarainy sy omeny ny mazava. Ekeo ny FIFIDIANANY, ekeo sy ankatoavy IZY. Ataovy izay tiany dia hiadanana ianao.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source