JAONA 8.31-38
Ireo hery izay manandevo dia ny tsy fahafantarana izay tena marina (and31-32)
« Raha maharitra amin’ny teniko dia ho mpianatro tokoa ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo « . Ny marina izay manandevo ireto Jiosy ireto dia ilay heveriny ho tena ilay tena marina ny momba ny fivavahany .Izay heveriny ho tena izy kanefa « marina sandoka » , satria manilika ilay tena marina dia ny Zanak’Andriamanitra . Nanjavozavo tamin’izy ireo ny amin’i Jesoa ilay tena marina tamin’Izy natao batisa ka nisokafan’ny lanitra ka nitenenan’ Andriamanitra Rainy hoe : « hianao no Zanako malalako, ianao no sitrako » (Mar 1.11)
Tsy fantatra hoe : fatra-pifikitra amin’izay nolovaina tamin’ny razana , sa tahotry ny mpaminany sandoka ka nahatonga azy ireo hametraka hantsana manelanelana an’i Jesoa . Tsy fantany anefa fa i Jesoa no tena Ilay Marina araka ny voalaza hoe: » Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » (Jao 14.6)
Ny fankatoavan-dalàna no nameno ny fony sy ny fanahiny ka nahatonga azy ireo ho andevon’ny lalàna .Lalina loatra ny fankatoavan-dalàna ka na dia efa maningotra ny ain’ny hafa aza , rehefa lalàna dia lalàna . Izany azo lazaina tena andevo . Ireto Jiosy ireto anefa mba mino an’i Jesoa ihany fa voafatotry ny lalàna . Mila fitandremana lehibe ny fampiharana izay rehetra lalàna misy ankehitriny na lalàm-pivavahana io na ara-panjakana ,na ara-piaraha-monina , fa sao lalàna mampisaraka amin’Ilay Mpamonjy . Ao Aminy ihany no fahamarinana manafaka amin’ny fanandevozana ataon’ireo lalàna samihafa ireo . Koa aoka hitandrina .
Fanontaniana:
Aminao , tsy maintsy ampiharina mandrakariva ve ny lalàna satria antoky ny filaminana izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM