EKSODOSY 35.30-35

Miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny ny Tompo

Manome toromarika ho an’Israely ny Tompo, momba ny fanamboarana ny Tabernakely .Ka avy amin’izany no hanehoan’ny Soratra masina amintsika fa :

1-Andriamanitra no mifidy ny mpanompony

Mialoha ny hanatanterahana ny asa dia novorian’i Mosesy ny Zanak’Israely rehetra ka nentanina mba samy handray anjara , ary hanolotra an-tsitrapo ny fitaovana rehetra ilaina , toy ny volamena , volafotsy,vatosoa , lamba sns… Takiana ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’izany .Rehefa izany dia nambaran’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely fa nofidian’i Jehovah manokana i Bezalila , zanak’i Ory , zafikelin’i Hora avy amin’ny fokon’i Joda, sy Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana .Izy roalahy ireo no hiandraikitra ny asa kanto samihafa ho fandravahana ny Tabernakely araka ny toromarika omen’ny Tompo . Amin’ny asa lehibe toy izao dia ilaina ny fahafantarana ny talentan’ny tsirairay ka hametrahana azy amin’ny andraikitra tandrify .

2-Izy no loharanon’ny fahaiana aamam-pahalalana

Na eo aza izay heverina ho fahaiza-manao ananan’ny tsirairay diz ny Tompo ihany no tena loharanon’ny zavtra rehetra . Ny Fanahin’ny Tompo tao amin’izy roalahy no nananany fahakingan-tsaina sy fahaiza-manao isan-karazany .Araka izany dia tena fanomezana sarobidy ho antsika fiangonana ny Fanahy Masina . Hoy ny Apostoly Paoly : »zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana ,nefa ny Fanahy dia iray ihany  » (1 Kor 12.4) .Raha tena hain’ny fiangonana ny mitrandraka ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay dia hiroborobo ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra .Tokony hahatsapa ny tsirairay fa fanomezana avy Aminy ny fahaiza-manao .

Fanontaniana:

Inona no heverinao fa talenta nomen’ny Tompo anao manokana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM