ROMANA 5.6-11
Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo
1- Maty hamonjy antsika i Kristy
Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika .Maty ho antsika Izy ho famonjena sy fahafahantsika manatona Azy .Novakiana ho antsika ny tenany , ary nalatsaka hisolo antsika ny Rany (1Kor 11.24-26).Raha eo amin’ny fiainantsika zanakolombelona , mety ho vitsy ny hanolo-tena ho faty hisolo ny maro.I Kristy kosa anefa , raha maty dia ho famonjena antsika , satria tsy mendrika isika , sady tsy manankery hanavo-tena .Maty hamonjy antsika i Kristy.
2-Ho fampihavanana antsika amin’Andriamanitra
Tami’ny alalan’i Jesoa Kristy natsangany tamin’ny maty no nanehoan’Andriamanitra ny fihavanana taminy .Maneho ny fitiavany tokoa Izy na dia nilatsaka ho fahavalony aza isika .Tsarovy fa efa vita fihavanana taminy isika tamin’ny alalan’ny zanany .Tsy mandao ny mpino Izy , ary manam-piadanana sy fifaliana izay ao Aminy , na dia eo aza ny fahoriana misy . Ny mpino tsara fihavanana amin’Andriamanitra dia afaka mijoro vavolombelon’ ilay nandresy ny fahafatesana sady manana hery ihoarana ny androm-pahoriana maro . Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fifaliana mandrakizay amin’ny gfanatrehan’Andriamanitra no fiafaran’ny zavatra rehetra ho an’ny mpino izay vita fihavanana Aminy .
Fanontaniana:
Inona avy ny dingana efa nolalovanao mba hanananao fihavanana amin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM