Mofonaina 22 Mars 2023: 1Tim 1/12-20
1Tim 1/15: Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany.
Fanazavana:
Ny hany nahatongavan’i Jesoa teto antany dia ny hamonjy ny mpanota. IZY no hany manana ra mendrika hanadiovana ny otan’ny olona. Tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy ra afaka hisolo izany. Efa vita ny fanadioavana ho fanamarinana. Izay manaiky izany, tahaka an’i Paoly Apostoly, izay lohan’ny mpanota dia voavela heloka.
Nanaiky izy, satria tsy nahalala ka nanao meloka teo aloha. Ankehitriny kosa, rehefa nihaona tamin’i Jesoa, nahalala AZY, nandray AZY, nohamarininy dia nibebaka ary nanara-dia AZY sy nitory ny fahamariny.
Azo lazaina ho fijoroana vavolombelona izao nataon’i Paoly Apostoly izao. Fampahafantarana antsika izay mpanao ratsy rehetra, na inona na inona fahadisoanao, fa vonona hamela ny helokao tamin’ny lasa Jesoa, ary hamerina anao amin’ny fahamarinana. Hoy IZY: tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. (Lio 5/32)
Mibebaha, miverena ao amin’i Jesoa. Andao hanompo AZY dia hahazo ny fiainana mandrakizay isika, sady hahazo ny fahasoavana dieny izao ankehitriny izao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires