ASAN’NY APOSTOLY 5.29-42
Ny tena mpitory Filazantsara
Aoka ho fantatsika fa ny tena mpitory ny Filazantsara dia ;
1- Tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana
Tezitra ny mpisoronabe mbamin’ny namany raha nahita fa maro ny olona resy lahatra noho ny Filazantsara ka nanapa-kevitra hanara-dia an-dry Petera.Nosamboriny izy ireo ka nataony tao an-tranomaizina,nefa nony alina dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny fonja ka namoaka azy taorian’izay dia mbola nanohy nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly indray ireo Apostoly na dia efa norarana mafy aza (and28) . Ny tena mpitory ny Filazantsara dia tsy mihemotra manoloana ny sakantsakana samihafa . » Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? fahoriana va sa fahantrana sa fanenjehana sa mosary sa fitanjahana sa loza sa sabatra ? » (Rom 8.35)
2- Andriamanitra ihany no ankatoaviny fa tsy olona
Tsy midika akory izany fa tokony hanohitra ny mpitondra sy ny manam-pahefana ny mpino.Ambaran’ny Soratra Masina aza fa tokony hanaja ny mpanapaka sy ny mpifehy ny mpino (1Pet 2.13,14/Rom 13.1-3),saingy ambara koa fa adidy tsy maintsy efaina eo anatrehan’Andriamanitra ny asa fitoriana ny Filazantsara ka na inona na inona ,ary na iza na iza hisakana izany dia tsy maintsy toherina amin’ny Anaran’i Jesoa .Izany no nilazan’ny Apostoly Paoly hoe : « Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona » (and 29). Nohararaotin’i Petera tamin’io fotoana io nanadihadiana azy io ny fanambarana ny amin’ i Jesoa izay notoriany ka vao mainka sanganehana ireto mpisakana . « Fa raha mitory ny Filazantsara aho,dia tsy misy ho reharehako,satria tsy maintsy manao izany,fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho« (1Kor 9.16)
Fanontaniana:
Inona no sakana efa nolalovanao noho ny fanarahana an’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM