JAONA 14.1-4

 Miomana handray ny Tompo

 « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho  dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko  , ka izay itoerako  no hitoeranareo koa » (Jao 14.3)

  1. Fa efa  manomana toerana ho anao Izy

And 3a “ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo  Aho”. Araka ny voalaza teo aloha dia ao an-tranon’ny Rainy no misy  io toerana io  . Ao an-tranon’ny Rainy  , kanefa tsy ho Azy ihany fa ho anao  koa. Foiny omena anao  ny anjarany  ao an-tranon’ny Rainy .Tsy tolorany fotsiny  fa Izy  mihitsy  no hikarakara ny toeranao , hanamboatra izay mety aminao  .Tonga toy ny zanaka isika . ”Ary raha zanaka dia mpandova , eny sady mpandova  an’Andriamanitra no mpiray lova amin’I Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manamboninahitra Aminy koa “( Rom 8.17)

2-Ka efa vonona hanaraka azy ve ianao ?

“Ho avy indray”: io no fomba  ilazan’ny Tompo  ny amin’ny fiaviany indray .Araka ny fanekem-pinoantsika hoe: ho avy hitsara ny velona sy ny maty .Ny fahavononana dia manomboka anio . Diniho tsara izay ambaran’I Paoly  ny amin’izany fahatongavan’ny Tompo  izany   :”…isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina aminy  ho eny  amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka , dia ho any amin’ny Tompo   mandrakariva isika “(I Tes 4.17) .Raha tsy miakatra hitsena Azy ianao  dia efa tsy Azy .Fa sao lany andto  manamboatra fitoerana Izy  , kanefa isika tsy  misy  ho any ?

Fanontaniana:

Inona avy ireo fiomanana efa nataonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM