ISAIA 35.1-4

Miomana handray  ny Tompo  ry reraka am-po

  1. Fa ho avy Izy

“Lazao  amin’izay  reraka am-po  : mahereza , aza matahotra . Indro Andriamanitrareo  , ho  avy mitondra famaliana” .Andriamanitra mandray andraikitra no  hita amin’ity faminaniana ataon’I Isaia ity. Andriamanitra mihitsy  no mandray mivantana  ny amin’ny famaliana sy  ny famonjena ny olona .Ao an-tany fahababoana ny olony  no  hilazany  fa Izy no mitondra ny  olona hiala amin’ny toeram-pahoriana .Ianao  ihany koa no ilazany izany teny izany . Ho avy  I Jesoa handray ny adinao , hiasa Izy  araka ny voasoratra hoe : « mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa , diovina ny boka ary malady ny marenina, atsangana ny maty ary ny malahelo dia hitoriana ny Filazantsara » (Mat 11.5). Ny anjaranao  kosa dia ny manatona  Azy sy mitondra izay mavesatra eo Aminy fa toky efa nomeny indrindra ny hoe: “Mankanesa aty Amiko  ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra fa Izaho hanome anareo fitsaharana “ (Mat 11.28)

2-Fa hovany ny tontolo

Tany efitra , tany karankaina , tany hay : toerana  samy tsy azo iainana ireo. Toerana milaza tsy fisiam-piainana mihitsy kanefa dia ambaran’ny Tompo hoe: “ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina ary ny tany hay  mifaly sy mamony  tahaka ny lilia  “. Toy izany no fiovan’ny fiainana izay itoeran’Andriamanitra ary ny fiainantsika ihany koa dia toy izany rehefa omentsika toerana ao amin’ny fontsika I Jesoa . “Dinihonareo  ny Soratra Masina , ataonareo fa ao Aminy  no anananareo fiainana mandrakizay  ary ireny no manambara Ahy , kanefa tsy mety  manatona Ahy ianaraeo hanananareo fiainana” (Jao 5.39-40 ) . Inona no andrasantsika tsy handray ny fiainana be dia be omen’I Jesoa e!  Hevero ny tenin’ny mpanao Salamo :”Andramo ka izahao… fa tsara I Jesoa.

Fanontaniana :

Raha ho avy ny Tompo , inona no  ambaranao Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM