1 KORINTIANA 9.13-18

« Tsy maintsy mitory ny Filazantsara aho »

Ambara ao amin’ny tantaran’ireo olo-malaza samihafa voalaza ao amin’ny Baiboly fa tsy zara raha nisy fotsiny akory ny nahatonga ireny olona voalaza ato ireny ho mpitory ny Filazantsara .Tsarovy fa tsy maintsy nisy ny fifandraisana tamin’Andriamanitra nifidy sy niantso azy ireny ho mpitory Filazantsara . Hoa an’i Paoly manokana dia efa isan’ireo mpanenjika ny Tompo sy ny olony izy tany am-boalohany .Fa rehefa nisehoan’ny Tompo izy dia nantsoiny ho isan’ny mpitory ny Filazantsar kosa indray (Asa 9) .Izany no nitenenany fa :

2-Tsy misy reharehako ny fanaovako izany

Fantatry ny maro fa tsy izay te-ho mpitory ny

filazantsara akory dia ho tonga mpitory mendrika tokoa ? satria aoka ho tsaroana fa asa fanompoana izany ,ary tsarovy  koa fa nozarazarainy  ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana , hoy ny Soratra masina .Tsapa tokoa mantsy ny fisian’ireo olona mirehareha sy mieboebo fotsiny amin’ny fanaovany izany (jereo 1 Tim 3.6) angamba  heveriny ho toy ny hoe : grady  izany  , ka izay tonga ho mpitory  dia misondrotra grady  ambony kokoa .I Paoly  manokana kosa dia niteny  hoe : tsy misy reharehako  mihitsy  ny fanaovana izany , satria asa fanompoana tena nanirahan’ny Tompo  azy izany .

2-Lozako raha tsy mitory izany aho 

Amin’i Paoly , araka izany dia zavatra tsy maintsy  atao  ny fitoriana ny Filazantsara  na inona na inona azo  avy aminy  , na inona na inona vokatry  ny  nanaovana izany  satria natolotry ny Tompo  azy  ny fanatanterahana izany .

Fanontaniana :

Tokony  ho reharehan’iza ny  fitoriana ny Filazantsara ?Iza  no tokony hitory ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM