JEREMIA 25.1-14

Mamaly ny faharatsiana ny Tompo

1-Meteza hihaino ny Tompo

Ny alahelon’Andriamanitra no hita eto amin’ity perikopa ity . Nanantena Andriamanitra fa hanaraka ny didiny ny olony , kanjo zava-poana izany . Ambaran’i Jeremia eto fa nandritra ny 23 Taona no nanambarany ny hafatr’Andriamanitra , saingy tsy nihaino ny olona. Ary tsy izany ihany fa nisy mpaminany maro hafa koa nirahina hanambara fa tsy nihaino ny olona . Mahatezitra an’Andriamanitra ny tsy fetezantsika hihaino Azy .Tsy ity Boky Mofonaina ity ihany no efa nitenenan’ny Tompo antsika , fa efa fomba maro , saingy tsy mihaino Azy isika . Vakio ny Mar 1.11

2-Mialà amin’ny ratsy ianao

Misy teny fampanantenana efa nomen’ny Tompo ny Zanak’Israely dia hy fandovana ny tany Kanana izay tany tondra-dronono sy tantely , saingy ambaran’Andriamanitra eto fa raha tsy miala amin’ny ratsy fanaony izy ireo dia esorin’Andriamanitra amin’izany .Moa tsy toy izany koa va ny hafatra ataon’ny Tompo amintsika anio ? Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy ianareo ary aza manaraka andriamanin-kafa sy manompo sampy . Raha vitantsika izany dia hamponenin’Andriamanitra amintsika ny fitahiana .Fa mandositra antsika ny fitahiana satria maloto eo anatrehany isika. « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo , ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo , ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59.2)

Fanontaniana :

Inona no dingana efa nataonao hialan’ny fahatezeran’nyTompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM