• Sekoly Alahady
  • Tetikasa SA

Ny Sampana Sekoly Alahady (S.A./FJKM ) dia Sampana iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Ny fitsipika mifehy azy dia miainga amin’ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM. Miaraka amin’ny Departemantan’ny Fiangonana izy. Ny asan’ny Sekoly Alahady FJKM dia asa misiona izay miorina amin’ny Baikon’ny Tompo maniraka ny Fiangonana hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28, 18- 20), sy hiandry ary hamahana ny ondrin’i Jesoa (Jao 21, 15- 17).

Zava-kendreny

Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Tenisoa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa.

Biraon’ny Sampana SA Filadelfia Meaux

Filoha: RANDRIAMAHEFA Mialy

Mpitantsoratra: RAZAFINJATOVO Vero

Mpitahiry vola: NY HERIARIVONY Mahefasoa

Mpitantsoratra vola: ANDRIAMBOLASEHENO Ramaniriarisoa

Fandaharam-potoana  samihafa

Fianarana SA : Ora iray  alohan’ny fotoam-pivavahana isan’alahady

Hetsika Seho samihafa


Tetiandro SA

Ireto ny tetiandron’ny SA mandritra ity taona 2018 ity.

Fanadinana SA: Alahady 10 jona

Fitsangatsangana SA: Sabotsy 30 jona

Fidirana taompianarana SA:  Alahady 2 septambra
Hisy fanolorana mari-pankasitrahana
Fitondrana ambavaka ny taompianaranabotsy 30 jona

Desambra Iray volan’n SA:  Alahady 2 des. – Alahady 30 des
Hisy hetsika fanaovana sakafo isan’Alahady.
Hanasana ny fandraisan’anjaran’ny Fiangonana

Krismasy SA:  Alahady 9 desambra

Fety sy fankalazana  samihafa

Fetin’ny reny : Alahady 27 may

Fetin’ny ray : Alahady 12 jona

Fotoan-dehibe Fiangonana : Alahady 23 jona

SA Foibe FJKM : Alahady 09 desambra