Mihaino ny Tenin’ny Tompo

Matio  10.5-15

Ny  mpianatry ny  Tompo

1-Mitoriteny

Nambaran’i Jesoa Kristy  mazava tsara   tamin’ny mpianany   ny lalàna hizorana . Tsy  handehandeha fotsiny  anefa  fa hitoriteny  , hanambara  amin’ny Zanak’ Israely  fa efa mby akaiky  ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsarovy  fa ny olona nantsoin’i Jesoa Kristy  dia tsy mandehandeha amin’izay làlana  tiany hizorana . Jesoa Kristy no mamaritra  ny làlana  sy ny andraikitra  hotanterahina . Hanambara  ny fanjakany .

2-Matoky  ny fitondran’ny Tompo  

Asa sarotra  ny miandry  . Hitondra fanafahana , fiainana ho an’ireo  voafatotr’i satana . Tsy miantehitra  amin’ny herin’ny tena, tsy  mitady  tombotsoa manokana . Ambarany fa manana ny hevitra  hitondrany  ny fiainan’ny olom-boafidiny  ny Tompo . Ny olona nofidiany hanao ny asany dia tsinjoviny mandrakariva.

3-Mitondra fitahana ho an’ny hafa

Asa fanompoana miavaka  no tanterahin’ny  mpianatry  ny Tompo. Ireo  mino , manaiky handray azy ireo  dia mandray  fiadanana . Ireo  izay  minia tsy mandray  kosa dia fiampangana no anajarany . Tsarovy  àry  fa ny mpanompo irahin’ Andriamanitra mitory ny Filazantsara  dia hitondra fitahiana , fiadanana ho antsika. Mahaiza mandray azy ireny  dia ho tanteraka aminao  ny fiadan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Inona no maha- sarobidy  ny asan’ny  mpitory  ny  Filazantsara?