Mofonaina 9 Jan 2023: Sal 104²⁴-³⁵
Ny Sal 104 dia fiderana an’Andriamanitra Mpamorona na Mpahary. Manamafy ny lohahevitra izany.
And.24: “… Henika ny zavatra nataonao* ny tany.” Zavatra natanao= harenao. Hary no fototenin’ny harena. Henika ny zavatra noharinao ny tany no ambaran’ny mpanao Salamo eto. Diniho ny and.13-15: raha sanatria ka tsy tondrahan’i Jehovah ny tany, raha sanatria ka tsy vokisany ny tany, dia tsy misy voaloboka ho tonga divay sy vary ho tonga mofo ka mosarena isika.
And.25-29: ny ranomasina sy ny trozona. Rehefa manome sakafo Jehovah dia mihinana izy, fa raha sanatria tsy izany dia maty izy ireo. Mbola ny haren’i Jehovah hatrany no ivelomana sy iainan’izay ao anaty ranomasina. Ireo no notsofin’ny Mpahary rano ho antsika, araka Gen.1 indrindra ny and.28 hoe: “…manjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny…” Soa fa nisy ny ranomasina hamelomana antsika.
And.31-34: mpanao Salamo mifaly amin’ny fanandratana ny voninahitry ny Mpahary, izay tsy inona fa ny zava-boahary izany. Izany no anton’ny fiderana, fankalazana, fihirana, fihobiana tsy mitsahatra. Izay tsy hanao izany ho ringana ka na mihanoka ny harena sarobidy aza dia ho tratry ny fahafatesana faharoa (and.35)
HAFATRA :
Efa nomen’ny Mpahary ho antsika ny harena rehetra. Tsy misy tombony ho AZY fa fitiavana antsika. Nohariana farany indrindra isika mba tsy hamantana tany foana toy ny havandra ririnina, fa hianoka amin’ny zava-boahary rehetra. Noho izany, manomeza voninahitra sy haja ho an’ny MPAHARY. HALELOIA, AMENA.
0 Commentaires