Mofonaina 3 Jona 2023: Jao 5¹-⁹
1-Manafaka amin’ny aretina ny Tompo.
Asa telo no nataon’i Jesoa: nampianatra, nitory, nanasitrana (Mat 4²³). Ny fitondrany ny otan’ny olombelona sy ny fanasitranana no nanekeny ho faty eo amin’ny hazofijaliana (1Pet 2²⁴). Koa rehefa nanafaka tamin’ny fahotana ka namela heloka IZY, dia nanasitrana. Koa ny tenin’ny hoe “te-ho sitrana va ianao?” (and.6), dia efa nialohavan’ny famindrampo sy ny famelan-keloka. Io no narahan’ny fanasitranana hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.” (and.8). Araka izany, manafaka amin’ny ota sy ny aretina ny Tompo.
2-Manafaka amin’ny fombafomba ny Tompo.
Voalaza eo amin’ny and.9b fa “Sabata izay andro izay.” Misy fombafomba noheverina ho lalàna na didy 39 tsy azo natao ny Sabata. Anankiray amin’izany ny mitondra entana, ary na sombi-kofehy tsy voazaitra manaraka ny ankanjo anaovanao aza dia efa anisan’ny entana. Tsy Gaga isika raha nahazo teny mafy ralehilahy: “Dia hoy ny Jiosy tamin’ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.” (and.10). Koa satria efa nafahan’ny Tompo tamin’ny fombafomba izy ka sahy namaly fa raha ota izany, dia ILAY MPANASITRANA no melohina, araka ny tenin’ny hoe: “Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.” (and.11). Afaka tamin’ny fombafomba izy, ka tsy niahotra tamin’ny fiampangana azy.
HAFATRA. Ny fanahafahan’ny Tompo tsy ara-batana na ara-toekarena fotsiny. Ny tena marina, fanafahana ara-panahy aloha, kofehy manara-panjaitra ny fahasalamana sy ny sisa. Angataho ny fanafahana ara-panahy dia homeny anao izay mahasoa anao rehetra.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source