Mofonaina 28 Aprily 2023: Jao.21¹⁵-¹⁹
Jesoa miantso an’i Petera hanaraka AZY, raha tena Tia.
1-Jesoa niteny in-3 tamin’i hoe: “moa tia Ahy va ianao?”. Ny roa voalohany fitia Agapé, fitia tsy misy fepetra no fanontanian’i Jesoa, fa fitia finamanana na fitia philia no navalin’i Petera. Tamin’ny fanontaniana fahatelo dia fitia finamanana koa no nanontanian’i Jesoa azy. Inona Tiana hisongadina?
Manaiky izay tsy fahatakaran’i Petera ny tena fitiavana Jesoa, kanefa mitaona azy hiandry sy hamahana ny ondriny. Mamahana ny ondry fa tsy mamahan-tena toy ny mpiandry ondry omaly tao amin’ny Ezek.34.
2-“Manaraha AHY.” Io no teny farany nataon’i Jesoa tamin’i Petera. Inona no hevi-dehibe misongadina amin’izany?
Manaraha ny fahafoizan-tena nataon’i Jesoa. Aza mijery ny tena, fa jereo ny olony, fahano ny ondriny, andraso ny ondriny. Aoka ho ny fitia Agapé na fitia tsy misy fepetra no no hivelomana sy hiainana. Aoka hibanjina ny lanitra fa tsy ny tany. Aoka ny tena araka ny fombam-panahy no atao miharahary sy banjinina fa tsy ny tena araka ny fomban’aina. Aoka ho ny Fanahy fa tsy ny nofo.
HAFATRA : maneke hampitenenin’ny Soratra Masina, fa aza mampiteny ny Soratra Masina. Raha tia an’i Jesoa dia mamahana ny ondriny fa tsy mihinana ny ondry. “Fahano ary ny ondriko” hoy Jesoa. Ny mpampiteny ny Soratra Masina na miaramilan’i Satana manao hoe: “fa hano ary ny ondriko.”
Enga anie hitia an’i Jesoa amin’ny fitia Agapé isika, fa tsy hitady tombotsoa.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires