Mofonaina 27 Jolay 2023: Deot 10¹²-¹⁹
Rehefa mandinika ity mofonaina ity aho, dia izay maha-IZY AZY AN’I JEHOVAH no Hitako mihasinkasina eto.
Manao ahoana ity Jehovah Andriamanitrao ity?
1-Andriamaitra Avo Indrindra.
Andriamanitry ny andriamanitra no dikan’izany. Izany hoe, raha misy mitonona ho andriamanitra na atsangana ho andriamanitra dia mbola ambonin’ireo rehetra ireo JEHOVAH. Anterina koa anefa, fa mpisandoka na tsy izy ireo fa JEHOVAH IRERY NO ANDRIAMANITRA, IZY NO IZY. Hoy Jehovah : “IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY.” (Eks.3¹⁴). Jehovah na Yaveh no ILAY MISY, EFA NISY TALOHA, HO MANDRAKIZAY NY FISIANY.
2-Tompon’ny tompo, Andriamanitra mahery.
Manambara ny maha-ANDRIAMNITRA TSITOHA AZY izany. Tsy Hay toherina satria Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra, any andanitra sy ety antany.. Izay mifanandrina amin’i Jehovah dia toy ny atody miady amim-bato, toy ny biscuits voahintsaky ny cylindre, hoy ny tanora. Nahoana? Satria Tsitoha IZY (DIEU OMNIPOTENT).
3-Andriamanitra Ray.
Raha manonona ny teny hoe RAY, dia fitiavana no mby ao antsaina. Andriamanitra fitiavana izany no tiana holazaina aminao. Ny Ray dia mandinika ny zanany rehetra. Misy ny mirehareha sy miseho ho mahery ka mampahory ny iray tampon aminy. Mananatra sy manoro ny RAY, ary miafara amin’ny famaizana raha tsy manaraka ny didiny. Fa izay ampahoriana kosa dia iantrany sady arovany. Ireto no hita omeny rariny eto: kamboty, mpitondratena (vehivavy maty vady), vahiny. Tena RAY IZY, FITIAVANA MARINA.
Inona no tokony hataon’ny olom-boafidy ?
“Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala…” (Efes 5¹). Raha tena zanak’Andriamanitra ianao dia tsy maintsy mankahala AZY. Izany rahateo hiantsoany ny hitiavana ny vahiny satria efa vahiny tany Egypta ny Zanak’Isiraely (and.19). Tsarovy ianao fahiny ka miantrà rehefa nomeny fitahiana.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires