Mofonaina 26 Aprily 2023: Lio 20²⁷-⁴⁰
Omaly isika dia nianatra ny tena araka ny fomban’aina sy ny tena araka ny fombam-panahy. Ny tena araka ny fomban’aina dia voafetra na ny toerana azo aleha na ny fahavelomana, fa ne tena araka ny fombam-panahy kosa dia velona mandrakizay ary manana hafainganam-pandeha tsy takatry ny saintsika.
Mifampitohy tanteraka amin’izany ny anio: “34. Ary Jesoa nanao taminy hoe: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; 35. fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina; 36. ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.”
Foana tanteraka ny filan’ny nofo ho an’izay natsangana tamin’ny maty, satria tsy tena nofo intsony izy fa tena araka ny fanahy. Ny asan’ny Fanahy no hany miorina sy mitoetra ao aminy. Lavitra dia lavitry ny asan’ny nofo izy, sady fady dia fady izany.
HAFATRA : andeha hanahaka an’i Jesoa dieny ety antany isika. Jesoa no nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra fa tsy nanota. (Heb.4¹⁵). Ny nitondra ny otantsika no nataony (1Pet.2²⁴). Andeha ny fanafahana ny maro amin’ny fahotana no himasoana sy hatao laharam-pahamehana fa tsy ny filan’ny nofo. Mangataha, fa ho tanterahany dieny ankehitriny izany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source