Mofonaina 25 May 2023: Isa.61¹-³
NY VOAHOSOTR’I JEHOVAH TAMIN’NY HERIN’NY FANAHY MASINA.
1-IZA NO VOAHOTRA?
Ny amin’ny voahosotr’i Jehovah no lohateny eto. Tena manondro an’i Jesoa Kristy izany. IZY no nandray izany tamin’ny nanaovana batisa AZY. Raha vao niakatra avy tamin’ny rano IZY, dia nidina teo AMINY ny Fanahy Masina ary Jehovah niteny hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Mat.3¹³-¹⁷). Taorian’io ny nizahana toetra AZY, ka nandreseny ny asan’ny devoly (Mat.4¹-¹¹, Lio 4¹-¹³). Tena herin’ny Fanahy Masina mihitsy izany. Taorian’izay ny namakiany ity mofonaina anio ity ka nanambarany ny fahatanterahan’ny teny novakiany (Lio 4²¹). Izany hamerenana eto indray fa Jesoa Kristy no voahosotr’i Jehovah amin’ireo asa maro ireo.
2-INONA NO NENTINY?
Tena marina aloha fa ny famerenana ny Zanak’Isiraely avy tamin’ny fahababoana no voalaza eto. Ary tanteraka izany. Kanefa mihoatra lavitra noho izany ny famerenana antsika avy ao amin’ny geja sy famatorana’i Satana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io indrindra no hasongadina eto. Ny teny soa mahafaly dia ny Filazantsara. Ny fitondrany ny heloka amam-pahotantsika teo amin’ny hazofijaliana, indrindra ny nitsanganany tamin’ny maty ka tsy hahafahan’i Satana manao na inona na inona intsony. Afaka izay rehetra nanaiky AZY (Jao.8³⁶). Nohamarinina ka omena ny fiainana mandrakizay.
HAFATRA : ho antsika efa nateraka indray, nomena ny hosotry ny Fanahy Masina, notolorana ny fahafahana, nomena ny hery sy fahasoavana rehetra, aza mitomoe-poana, mitsangana, mandehana, mitoria. Tanteraho ny hazakazaka Masina. Vontosy Filazantsara i Madagasikara.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Source
0 Commentaires