Mofonaina 23 May 2023: Mar 3²⁰-³⁰
1-JESOA KRISTY TSY MIRAY AMIN’I BELEZBOBA.
Efa niady tamin’i Belzeboba, mbola miady ary handrava azy sy ny miaramilany rehetra no fototra sy anto-pisian’i Jesoa Kristy. Hazavainy eto fa ho rava ny fanjakana miady antrano, na ankohonana miady an-trano. Raha Satana no manohitra ny tenany, dia tahaka ny olona mamono tena izany (and.26). Mpanohitra an’i Satana IZY, fa miray amin’ny Ray (Jao 10³⁰). Nivavaka ho an’ny Apostoly sy ny Fiangonana IZY mba ho iray tahaka ny maha-iray AZY sy ny RAY (Jao 17¹¹’²²). Koa ambara, fa tena fitenenan-dratsy an’i Jesoa ny tenin’ny mpanora-dalàna hoe: “Manana an’i Belzeboba Izy, sy hoe: ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia.” (and.22). Jesoa tsy miaraka amin’i Belzeboba sy Satana velively, fa mifamatotra sy mifaningotra amin’i Jehovah Ray.
2-TSY HAHAZO FAMELAN-KELOKA MANDRAKIZAY IZAY MITENY RATSY NY FANAHY MASINA.
Ny fitenenan-dratsy dia manao blasfemia. Blasphemia= parole de mauvaise augure, parole qui ne doit être prononcée dans une cérémonie religieuse, diffamation, calomnie= fiampangana tsy marina. Koa raha miteny ratsy ny Ray isika, hifona ho antsika Jesoa Zanaka; raha miteny ny Zanaka isika, hifona ho antsika ny Fanahy Masina ; fa raha miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa isika, dia tsy hisy hifona ho antsika intsony. Ny Fanahy Masina no ala-nenina farany ho antsika. Raha mandà sy miteny ratsy AZY isika dia tsy hahazo famelan-keloka fa farihy mirehitra afo mandrakizay (and.29)
HAFATRA : andeha hibebeka sy hiverina ka hihaino sy hankatò izay tarai-dàlan’ny Fanahy Masina.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Source