Mofonaina 22 Jolay 2023: 2Tant 6¹-⁶
Ny 2Tant 5²-7¹⁰ dia mitantara ny nanokanana ny tempoly tao Jerosalema izay naorin’i Solomona. Ny and.6: “fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny anarako…” dia famantarana ny maha-Jehovah Andriamanitra hiankinan’i Jiosy sy izao tontolo izao.
1-Jerosalema: famantarana fa ao Jehovah.
Mazava tsara izay voasoratra : Jerosalemna hitoeran’ny anaran’i Jehovah.
1.1-hevitry ny teny Jerosalemna: tanànan’ny fiadanana na vohitry ny fiadanana na Ambohimiadanana amintsika Malagasy.
1.2-ny anaran’i Jehovah no hitoetra ao: tsy midika ho fonenan’i Jehovah i Jerosalemna, fa fotoeran’ny anarany. Nahoana ?
-na ny lanitry ny lanitra aza tsy omby AZY, koa mainka fa trano kely dia kely (and.18). Vao mainka marina izay ambaran’i Isaia hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro” (Isa 66¹)
-fa Jesoa niteny hoe: “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” (Mat 18²⁰)
Ny anarany no ao Jerosalemna, fa IZY manenika ny lanitra sy ny tany. Trano no fonenan’ny anarany, fa raha mandray AZY isika dia honina ao amintsika IZY ka tranony isika (Heb 3⁶)
2-Jerosalema: hafantaran’izao tontolo izao an’i Jehovah.
Jerosalema no famantarana ny anaran’i Jehovah sy ny maha-IZY AZY. Izany hoe, ho fitoriana ny anarany, ho fampahafantarana ho an’izao tontolo izao fa IZY DIA IZY IRERY NO ANDRIAMANITRA.
-and.32-33: raha tonga hivavaka ny vahiny dia hihaino sy hamaly vavaka IZY, ka hivavaka AMINY avokoa ny firenena rehetra.
-Ny tranga teo amin’ny Zanak’Isiraely no hahafataran’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery IZY (Jos 4²⁴)
-ho an’izao tontolo izao Jesoa (Jao 3¹⁶). Ny anarany irery no hany anarana hahazoana famonjena (Asa 4⁸-¹²). Paoly Apostoly voafidiny dia ho fampahafantarana ny anarany (Asa 9¹⁵)
Ry havana,
Miantso anao ny Tompo hitondra sy hanambara ny anarany. Fitaovana isika, fa IZY hatrany no miasa.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source