Mofonaina 2 Jona 2023: 2Tim 4⁹-¹⁸
1-Tsy afoin’ny Tompo ny tena mpanompony.
Ny olona rehetra mety handao, eny fa na ny sakaiza tena niaraka taminao naharitra aza. Hita eto ny fandaozan’ny sakaizany an’i Paoly: Demasy nandao azy, satria tia izao fiainana izao, Aleksandro mpanao firavaka nanisy ratsy satria tia izao fiainana izao
Hafa lavitra noho izany ny Tompo. Hoy Paoly: “Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ny liona.” (and.17). Manatrika n’aiza n’aiza IZY. Efa nanambara fa tsy handao na hahafoy: “Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.” (Jos.1⁵, jereo Heb.13⁵).
2-Afahan’ny Tompo ny tena mpanompony.
Ny fanatrehan’ny Tompo dia ny hamonjy sy hanafaka. Tsy hamela ny mpanompony ho viravitain’ny fahavalo IZY. Vonona ny hanome fahafahana ho an’ny mpanompony IZY. Miaiky izany ny Apostoly Paoly ka niteny hoe: “Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra…” (and.18). Ankoatr’izay fahafahana amin’ny fahavalo eto antany dia ny fanomanana sy fanomezana ny fiainana mandrakizay. Marina izany, satria rehefa nahavita ny ady tsara sy ny hazakazaka ary fitehirizana ny finoana i Paoly, dia homena ny satriboninahitra: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (2Tim 4⁷-⁸)
HAFATRA. Maneke ho mpanompo mahatoky hatramin’ny fahafatesana, fa miaro anao ny Tompo, sady efa manomana ny fiainana mandrakizay ho anao.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source