Mofonaina 18 Août 2023: 2Pet 3¹⁷-¹⁸
17.Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; 18. fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Teny farany ataon’i Petera ity, noho izany, tsy maintsy mamantatra ny Epistily manontolo isika.
1-Mialohan’ny hahatongavan’ny Tompo ary dia:
-Hisy mpaniratsira (2Pet.3³). Mitaona ho amin’ny fandavana sy fialana amin’i Jesoa Tompo ireo. Azo amarinina amin’ireto: 1Tim.4¹, Jod.18. Mitanisa faharatsiana maro ny 2Tim.3¹-⁹.
-2Pet.2 dia mitanisa ratsy maro: Sodoma sy Gomora (homosexuel niafara tamin’ny fandringanana), Balama izay nitenenan’ny biby (Nom.22²⁸-³⁰). Ianao kosa aza mihemotra, fa mahareta (Mat 24¹³)
2-Ampitomboy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo.
-2Pet.1¹⁶-¹⁸: vavolombelona nanatri-maso Petera fa Jesoa no hany malala, hany ankasitrahana sady Zanaky ny Ray (Mat.17⁵)
-2Pet.1¹⁹-²¹: Jesoa no jiro, araka ny teniny hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao…”(Jao 8¹²). Koa raha te-hahalala AZY dia tsy maintsy mila ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina irery no hany afaka manokatra ny saina amam-panahintsika hahatakatra ny teniny sy izay marina rehetra.
-2Pet.3⁸-¹⁰: andro iray= arivo taona. Sarotra inoana. Ianao no aza maika fa mahareta.
HAFATRA.
Miharatsy, miharatsy ihany, miharatsy hatrany izao fiainana izao. Mijoroa amin’ny finoana sy fahamarinana. Mitoria sy manambarà an’i Jesoa Kristy Tompo, na hihaino ny olona na tsy hihaino. Mahereza amin’ny hazakazaka masina amin’izao faha-55 taonan’ny FJKM izao.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires