Mofonaina 14 Jolay 2023: Jer 1⁴-¹⁰
“Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” (and.5)
1-Fantatr’i Jehovah hatry ny fony mbola tsy noforonina i Jeremia.
Jehovah no niteny tamin’i Jeremia, fa efa fantany, efa hainy, satria mahalala ny zavatra rehetra IZY. Tsy misy zava-miafina AMINY, satria IZY NO MPAHARY. Manamafy sady manantitra izany fahaizana amam-pahalalan’i Jehovah izany i Jeremia raha nampiteneniny hoe: “Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany” (Jer 17¹⁰). Tsy tokony hohadinoina mantsy fa tsy manan-kevitra Jeremia. Izay teny napetrak’i Jehovah tao am-bavany ihany no hany mivoaka ny vavany. Marina izany araka ny and.9 hoe: “Dia naninjitra ny tanany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko…” Raha sanatria misy teny hafa, dia mpaminany sandoka izy.
2-Fanamasinan’i Jehovah hatry ny fony mbola tsy teraka i Jeremia.
Amin’izao fiantsoana an’i Jeremia izao dia nanatanteraka fanendrena na fanokanana na fanamasinana i Jehovah, araka ny and.10 hoe: “…ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly”. Kanefa aza adinoina, fa efa vita talohan’ny fahaterahany izany araka ny and.5. Fanehoana ho hita maso sy fampahafantarana aseho amin’i Jeremia sy ny olona sisa io and.10 io. Toy filazana ny sakramenta izany. Sakramenta= famantarana hita maso ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra tsy hita maso. (Le sacrement est le signe visible de la grâce invisible.) Famantarana sisa io nataon’i Jehovah io
Ry havana,
Aza mijery izay maha-ianao anao. Tsy misy antony nifidianany anao afa-tsy fitiavana. IZY DIA IZY ihany no antoka. Koa matokia AZY
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra
Source
0 Commentaires