Mofonaina 10 Jona 2023: Asa 16¹⁶-²⁴
Ny olon’afaka dia fitaovana eo an-tànan’ny Tompo hanafaka izay voageja sy voafatotra. Sokajin’olona roa no afaka noho i Paoly Apostoly nanaiky izany.
1-ilay ankizivavy. Hitantsika raha mamaky tsara ny mofonaina isika, fa toa teny tsara no nambaran’ilay ankizivavy. Kanefa aza adino fa voafatotry ny devoly sady andevon’ny olona misandoka ho tompony izy. I Paoly Apostoly no nanafaka azy tamin’izany famatoran’i Satana azy izany. Efa voafatotry toy izao izy taloha fa afaka, efa mpamono olona fa afaka (Asa 9¹-¹⁷). Nataon’ny Tompo ho fitaovana hanafaka ity ankizivavy ity.
Rehefa afaka tamin’ny fatotry ny devoly ity ankizivavy ity, very ny tombotsoan’ny sasany, dia ny famonoana sy famatorana ary famonjàna an’i Paoly sy Silasy no tsy maintsy nataony.
2-ilay mpiambina nambenana. And.25-34: rehefa nihira fiderana Paoly sy Silasy tamin’ny misasakalina, dia nihorohoro ny tany, nivoha ny varavarana rehetra, nivaha ny fatoran’ny gadra rehetra. Ny mpiambina no feno tahotra, satria noheveriny ho latsa nitsoaka ny voafonja rehetra. Ny nambenana indray no niambina, ny mpiambina no nambenana. Hoy Paoly: “Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.” (and.28). Raha tsy teo izany ny olon’afaka, efa tany amin’ny helo ny mpiambina ny voafonja. Soa fa teo ny olon’afaka hamonjy ny hafa tsy ho very.
HAFATRA. Matoky aho fa ianao efa nandray an’i Jesoa MPANAFAKA no mamaky ity. Tiany ho mpiara-miasa AMINY ho amin’ny fanafahana ny hafa ianao. Fombafomba fotsiny ny fahoriana mianjady aminao, fa misy olona tiany hafahana ao. Fitaovana fotsiny koa ianao, fa IZY NO MPANAFAKA. Mahereza, matokia, homeny anao ny satriboninahitry ny mpandresy.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source