Mofonaina 1 Jolay 2023: 2Pet 1⁸-¹¹
HEHERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO. Io no lohahevitra amin’ity volana Jolay ity. Tsy fifidianana ara- nofo fa ara-panahy. IZY TOMPO rahateo no mifidy, fa tsy tsy ny olona. Koa araka ny mofonaina anio dia ny fampitoerana ny fifidianana (and.10) no heveriko hosainintsika.
1-MIHEVITRA NY TOMPO MPIFIDY.
Ireto no azo amintinana ny dikan’ny “mihevitra”: mandinika, mamantatra, mianatra, misaina, mamakafaka, manadihady. Ny anton’ny fiheverana dia mba hahazoana ny fahalalana AZY MPIFIDY. Koa raha mamaky ny IIPet.1 manontolo ianao dia hahita fa miverina in-5 ny teny hoe “fahalalana”, in-1 ny fantatrareo, in-1 ny mandinika. Rehefa avy nandinika ianao dia hahafantatra sady hahalala fa Andriamanitra Mpifidy, aseho amin’ny alalan’i Jesoa dia: madio, marina, masina, Fanahy, tsara, tonga lafatra (parfait), malala, sitraka, fitiavana. Raha tsorina, dia tsy misy mihitsy izay tahaka AZY.
Fa ankoatr’ireo, ny Tompo Mpifidy dia mahalala sady mahay ny zavatra rehetra, hatramin’ny lalina indrindra ao anatin’ny olona. Hoy Jeremia: “Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany” (Jer 17¹⁰). Araka izany, mahalala tsara izay ho fidiany ny Tompo Mpifidy.
2-NY ANTON’NY FIFIDIANANY.
“…hampitoetra… ny fifidianana anareo..” (and.10). Mampitoetra= manamafy, mampiorina, mampijoro, mampaharitra.
Inona Tiana hivoitra sy hihasinkasina amin’izany?
Mandalo isika no ety, satria “trano-lay” (and.13-14). Ny fifidianana kosa ho mandrakizay satria hiafara amin’ny fidirana ao amin’ny fiainana mandrakizay (and.11). Mialohan’izay anefa, amin’ny maha-mpandalo antsika ety, ny fifidianana dia tsy maintsy maharitra sy mitohy satria, “masom-boly” na “ambioka” isika voafidy. Ny masom-boly na ambioka dia fibanjinana ny ho avy fa tsy ny anio. Izany hoe, fitohizan’ny fahatsaran’ILAY NIFIDY, mba hiharihary amin’izao tontolo izao ny AMINY. Koa tsy hivein-dàlana ny voafidy
Ho AZY irery ny voninahitra.
Source
0 Commentaires