Atsampanahy tontosain’ny STK miaraka amin’ny atokompihira Sederan’ny Ziona sy Narda Fihobiana ny Sabotsy alina 24 Desambra 2022.
Nankinina tamin’ny tenin’i Jesoa Kristy hoe :
” Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” -“But who do you say that I am? “-“qui dites-vous que je suis? ” Lioka 9.20
Fa hoy Izy taminy: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?
Lioka 9.18-26
Ary raha nivavaka tao amin’ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon’ny olona ho iza moa Aho?
Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia; ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
Fa hoy Izy taminy: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin’Andriamanitra.
Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’olona ka nanao hoe: Ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana.
Ary hoy koa Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy,na mati-antoka izany izy?
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina.
Valiny
- Dia namaly Petera ka nanao hoe: “Ny Kristin’Andriamanitra“
- Peter, answering, said, “The Christ of God”.
- Pierre répondit: “Le Christ de Dieu”.
Ho anao, ho antsika “iza marina moa Jesoa”?
