Mpiandraikitra

Mpitandrina RAKOTONANAHARY Tiana Holda

Mpitandrina amperin'asa

Ny Mpitandrina RAKOTONANAHARY Tiana Holda no nanohy ny fitantanana ny Fiangonana FJKM Tranovato Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro nanomboka ny taona 2016.

Noraisin-tanana izy ny xxxx.

Mpitandrina RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera

Mpitandrina

Ny mpitandrina RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera no nitondra ny Fiangonana Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro ny taona 2012 hatramin’ny taona 2016.

Nanohy ny fanompoana ho Tonia nasionalin’ny “Aumônerie” eto amin’ny sahan’ny FJKM izy .

Mpitandrina RANAIVOARISOA Daniel

Mpitandrina

Ny mpitandrina RANAIVOARISOA Daniel (19xx-2022) no nitondra ny Fitandremana Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro nanomboka ny taona 1989 ka hatramin’ny 2002, niaraka tao amin’ny Fitandremana ny Fiangonana Anjozoro Fitiavana sy Antevana. Niroborobo tokoa ny asa Fifohazana izay nijoroan’ny Toby.

Ny Mpitandrina RANAIVOARISOA Daniel dia Prezida Synodaly nitondra ny Synodamparitany Tsiafahy (izay nikambana ka nahatonga ny SP Atsimon’Iarivo Miray tato aoriana) no sady nitondra ny Fitandremana Alatsinainy-Bakaro talohan’ny nahaterahan’ny SPAIM-15.

Solompitandrina A.Richard RAFIEFERANA

Ny Solompitandrina Andrianarivony Richard Rafieferana  no nanohy ny fanompoana nahasolompitandrina.

Taona nahasolompitandrina azy Taona xxxx .

Mpitantsoratry ny Fiangonana, mitondra ny vaovao-mpiangonana nandritra ny taona maro izy.

 

Solompitandrina RAFIANINANA

Ny Solompitandrina RAFIANINANA dia  nanao ny fanompoana nahasolompitandrina nandritra ny taona marobe.

Taona nahasolompitandrina azy :  Taona xxxx hatramin’ny Taona xxxx.

Izy dia nitantana ny fiangonana, indrindra tamin’ny fotoana tsy nisian’ny Mpitandrina  teo amin’ny Fitandremana Fjkm Alatsinainy Bakaro. Fitandremana niraisain’ny Fiangonana telo dia Anjozozoro Fitiavana sy Antevana. Nivaivay ny fanaovana ny Tranovato sy ny fanaovana ny fiangonana Anjozoro sy Antevana tamin’ny fotoanany

 

Mpitandrina RAKOTONDRASOA Daniel

Mpitandrina

Ny mpitandrina RAKOTONDRASOA Daniel no mpitandrina Fiangonana Fjkm Alatsinainy Bakaro ny taona 197x hatramin’ny taona 198x. Tamin’ny fotoana nitondrany no nampisy ny fikasana hanangana ny Tranovato

Nanohy ny anjara fanompoana maha-mpitandrina azy tao amin’ny Fjkm Behenjy izy

Mpitandrina RAVALITERA Etienne

Mpitandrina

Ny Mpitandrina RAVALITERA Etienne (1894-1974) dia nitondra ny Fiangonana Fjkm Alatsinainy-Bakaro ny taona 19xx hatramin’ny taona 19xx.
Nandroso fatratra ny Sekoly Lovasoa izay nisy ambaratonga faharoa tamin’ny fotoana nitondrany.

Jereo koa lahatsoratra mikasika ny Mpit. RAVALITERA Etienne

Solompitandrina RABOZILAHY

Solompitandrina RABOZILAHY.

Taona nahasolompitandrina azy : Taona xxxx hatramin’ny Taona xxxx

Nandray ho asan’Andriamanitra ny famelomana ny lakolosim-piangonana isak’Alahady sy tamin’ny fotoana rehetra izy. Notohizany hatrany izany mandrampahatongan’ny fotoana nakan’ny Tompo azy. Manohy manana andraikitra samihafa eo anivon’ny Fiangonana ny taranany.

Fjkm Ziona Vaovao Alatsinainy Bakaro