(Sal 89.5-14/Hira194:1,2,4/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira499:1,3)

Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia nasehon’ ny fitantarana fa niakatra ho any an-danitra indray. Mialohan’ny niakarany tany an-danitra anefa dia nanafatrafatra ny mpanara-dia Azy Izy fa mbola ho avy indray, hitsara ny velona sy ny maty. Ka dia mitaona azy ireo Izy mba ho feno tahotra an’Andriamanitra sy hanompo an’Andriamanitra hatrany, mandritra ny fotoanan’ny fivahinianany ety an-tany. Raha manao izany isika dia tsy hanan-kenatra velively, rahatrizay ho avy indray i Jesoa Kristy.

Mampitandrina koa anefa Izy fa hisy ny fandrebirebena maro samihafa ary misy filazana mihitsy eto hoe: na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza. Hisy amin’izany ireo hanora-tena ho kristy sy mpaminany; ary haneho famantarana lehibe mihitsy izy ireo amin’izany mba handresena lahatra ny olona. Nefa tsarovy fa sandoka izany (cf Deo 13. 25). Raha ho avy i Jesoa Kristy amin’izany fotoana izany dia hisy ireo hanararaotra ny fihaviany ka hilaza hoe aroa ananona Izy na aroa ananona… Aza mino izany mihitsy! Tsarovy fa lehibe dia lehibe tsy takatry ny saina mihitsy izany Andriamanitra izany. Hoy ny Soratra Masina hoe: tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana no ho fihavian’i Jesoa Kristy.

Misy ny lazaina hoe korontan’izao tontolo izao any amparany (cf Isa 13. 910; Joe 3. 34; Amo 8. 9), satria tsy hiasa hanome ny hazavany intsony ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.

Mbola misy ve ny mpaminany sandoka? Ahoana no fiatrehana no fiatrehana azy ireny eo amin’ny Fiangonana?