Salamo 138. 1-3 FF7 Favela – FFPM 4

    «Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, (…) any an-dafin’i Jordana Galilia, tamin’ny jentilisa,» (And. 15)

    Ny ankamaroan’ny mponina tao dia Jentilisa fa vitsivitsy ihany ny Jiosy. Ireo Jentilisa ireo dia nataon’ny Jiosy tany amin’ny faritr’i Jodia tsinontsinona noho ny tsy fahalalana sy ny fahasamihafan’ny fivavahana. Tao anefa no nanombohan’i Jesoa ny asany. Tsy maintsy tanteraka ny voalazan’ny Soratra Masina nampilazaina ny mpaminany. Ary mikendry ny olona rehetra ny famonjena nentin’i Jesoa Kristy. Ka na Jiosy na jentilisa dia samy mendrika handray ny famonjen’i Jesoa avokoa. Koa raiso ny famonjeni Kristy tonga eo aminao.

      «Mibehaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» (and. 17)

      Fitaomana ny olona tany amin’ny faritr’i Galilia hibebaka no nanombohan’i Jesoa ny toriteniny. Manana heviny hafa noho ny an’i Jaona Mpanao Batisa ny fibebahana eto. Ny fibebahana dia fahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra ankehitriny sy ny hihaviany amin’ny fahafenoana amin’ny andro ho avy. Noho izany, ny fibebahana dia midika ho fisantarana sahady ny fanjakan’ny lanitrs amin’ny andro ankehitriny ary hiainana amin’ny fithafenoana izany amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Ny olona efa nibebaka izany, dia olona miaina ny fiainan-danitra na dia mbola ery an-tany aza.

      Inona no mahasamihafa ny fibebahana lazain’ Jaona Mpanao Batisa sy ny lazain i Jeson Kristy?