Sal 92.1-5 / Hira 8.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480.1-2
Eksodosy 15. 1-2
Ny olona novonjen’Andriamanitra
1- Mihira sy midera Azy
Niredareda ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an Andriamanitra nataon’ny Zanak’Isiraely rehefa tafita ny ranomasina mena izy ireo. Tsy hain’izy ireo ny nagina noho ny fanehoan’Andriamanitra ny heriny sy ny fanavotany mahagaga. Notanisain’izy ireo mihitsy ny nandringanan’Andriamanitra ny fahavalo. Andeha kosa isika mba hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ireo famonjena nataony ho antsika fa tsy hanao faly mahazo fotsiny ka sanatria tsy hahatsiaro hanome voninahitra Azy.
2- Manamafy ny fahatokiany an’Andriamanitra
Amin’izany hira fiderana nataon’izy ireo izany no hanamafisany ny fahatokiany sy ny fanoloran-tenan’izy ireo hc ‘Andriamanitra ka nialazany hoe: « Jehovah no heriko sy fiderako fa efa famonjena ahy Izy ». Ny olona rehefa mahita vokatra tsara amin’ny fifandraisany amin’ny olona iray dia manamafy ny fahatokisany ka manantena ho avy mahafinaritra amin’ny fiarahana aminy. Izany no ilazan’izy ireo eto hoe « hankalaza Azy aho,…hanandratra Azy aho ». Ny famonjena izay nataon’Andriamanitra taminao dia tokony hanamafy ny finoana sy ny fahatokiana ary ny fanakalazantsika an’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Efa novonjen Andriamanitra ve ianao? Ahoana ny fomba nideranao Azy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe