Isaia 57. 15-21
Ny anjaran’ny manetry tena
1- Miara-monina amin’Andriamanitra (and.15-16)
Mihevitra manokana ny olona miaina amin’ny fanetren-tena Andriamanitra. Andriamanitra Masina Izy, monina amin’ny fitoerana masina, kanefa mijery manokana ny toe-pon’ny olona co anatrehany. Ny olona manana fo marina sy manetry tena dia tsinjovin’ Andriamanitra manokana satria mifandray Aminy, onenany mba hanana fiainana miavaka. Izany no fiainana miaraka amin’Andriamanitra.
2- Mandray famindrampo (and.17-18)
Ny fahotana no efitra mampisaraka ny olona amin’ Andriamanitra. Andriamanitra Masina Izy ka tsy mankasitraka ny ota, mihatra amin’ny mpanota ny famaizana avy amin Andriamanitra. Mihaarihary kosa anefa fa izay manetry tena ka manana fo torotoro co anatrehany no anehoany famindrampo, famelan- keloka, fanafahana amin’ny fahoriana rehetra. Mahasoa co amin’ny fiainana ny fahaizana manetry tena sy mifona amin’ny fahotana rehetra natao teo anatrehan’Andriamanitra.
3- Miaina amin’ny fiadanana (and.19-21)
Fiadanana no atolotr’Andriamanitra ho an’ny olona manetry tena sy miala amin’ny faharatsiana, dia ny olona izay manao ny marina hatrany. Ny ratsy fanahy dia tsy hanana fiadanana eo amin’ny fiainany, fa fikorontanana mandrakariva no miseho eo amin’ny fiainany (and.31-32). Raha te handray ny fiadanana avy amin’Andriamanitra ianao dia mahaiza miaina amin’ny fanatrentena ka mifandraisana Aminy.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba handraisana ny tena fiainana sy famindrampo ary fiadanana avy amin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foiba