Salamo 34.11-22

Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

1. Arovy ny lelanao amin’ny ratsy.

Izay ambara eto dia mitaona antsika tsy hiteny fitaka, na lainga fa mba hilaza fahamarinana mandrakariva. Io lela io mantsy dia mety hamitaka antsika raha tsy voatandrina, fa avy ao aminy ny soa sy ny ratsy. Ny olona miaina amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia tokony tsy ho fitahin’ny lela, afaka mifehy tsara izay ambara, mandanjalanja izay tenenina. (vakio Jakoba 3).

2. Manaova ny marina

Ny fahamarinana izay ataontsika dia misy mahita, misy mihaino koa ny fitarainana izay ataon’ny olo-marina. Koa rehefa manao ny marina isika dia henoin’Andriamanitra, ary tsy hoe mihaino fotsiny Izy fa tena mamonjy amin’ny fotoana rehetra indrindra amin’ny fotoana mampahory. Tsy mahazaka ny olo-marina mijaly Izy fa miaro mandrakariva, ataony miavaka eo anatrehan’ny tsy marina ny manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Tsy fatiantoka na oviana na oviana ny fanaovana ny marina, ary ezaka tsy maintsy atao. (Vakio Gal 6.9)

3. Mitadiava fihavanana amin’ny Tompo

Olona manao ahoana moa izany mitady fihavanana amin’ny Tompo izany? Olon’ny fitiavana ka misokatra sy manampy ny hafa, olona manana fo torotoro sy mangorakoraka ka manao asa tsara mandrakariva, olona sahy mijoro ho vavolombelon’ny Tompo ka manao ny sitrapony. Ny olona mitady fihavanana amin’ny Tompo dia vonona ho amin’izay anirahiny koa ary manana ny toe-panahiny rahateo.

Fanontaniana:

Aiza ny toerana na sehatra mety ahitantsika olona tahaka izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe