Deoteronomia 4.5-8

laino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

1. Dia hiavaka ianao (and,5-6)

Napetrak’Andriamanitra sy natolony ho an’ny olony tamin’ny alalan’i Mosesy ny didy sy fitsipika mba họ tandremany. Toa izany koa ho antsika ankehitriny: natolotra ho antsika tamin’ny alalan’ny mpanompony ny Teniny izay mirakitra ny didy sy ny fitsipiny mba iavahantsika mihoatra noho ny hafa. Fahendrena sy fahiratan-tsaina no ho tonga sy hananan’izay mitandrina ny didy sy fitsipiny. (ohatra Josefa ilay namidin’ny rahalahiny, Solomona Mpanjaka). Fa isika ihany koa dia tian’Andriamanitra hiavaka noho ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ka asainy mitandrina ny didy sy fitsipiny.

2. Dia tonga ho taratry ny fahalebiazany ianao (and.7-8)

Andriamanitra miavaka Izy ary tsy misy toa Azy. Isika mivavaka Aminy ihany no manana Andriamanitra akaiky (teny hebreo qarowizay midika hoe akaiky na fotoana na toerana na fifandraisana), Andriamanitra miara-monina. Tokony ho hita taratra eo amin’ny fianantsika ny fananatsika Azy ka ahitan’ny olona tokoa ny fikarakarany antsika. «Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra. » (Zak 8.23)

Fanontaniana:

Inona avy ireo zavatra miavaka efa nataon’ny Tompo taminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe