Efesiana 5.15-21
lainao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (and18)
1. Dia handresy ny ratsy:
Ny teny hoe hofenoina eto, araka ny teny Grika nandikana azy dia manambara hoe: <<nofenoina miverimberina» izany hoe tsy maintsy fenoina lalandava fa tsy azo atao latsaka mihitsy. Izany hoe asa miverimberina ny famenoana. Hitarika antsika amin’ny fananana hery handresy ny fanaranam-po amin’ny ratsy ny fangatahantsika mandrakariva ny Fanahy Masina mba hameno antsika. Koa tsy ho sasatra isika mangataka izany amin’Andriamanitra satria olona malemy sy mora lavo isika.
2. Tehirizo ny finoana
Ny Fanahy Masina no manampy antsika amin’ny fahatsapana finoana velona sy miasa ao amintsika. Tsy maintsy tovozintsika amin’ny alalan’ny Soratra Masina anefa izany; ary tonga fiainantsika ny fivavahana. Manomboka eo amin’ny and.19 no ambaran’i Paoly izany fisehoan-javatra ateraky ny Fahafenoan’ny Fanahy izany ka hiasan’ny finoana voatahiry eo amin’ny fianantsika. Dia tonga ohotra tsara isika araka ny Tenin’i Jesoa hoe: << ianareo no fahazavan’izao tontolo izao >>> Hoy ny Tompo hoe: «Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy? » (Lioka 18:8)
Fanontaniana:
Ahoana no atao ahazoana fahafenoan’ny Fanahy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe