Jaona 21. 15-19
Fifanakalozan-dresaka teo amin’i Jesoa sy i Petera no tantaraina amintsika amin’ity mofonainatsika ity. Hafatra ampitain’ny Tompo amintsika anio ary ny hoe
1. Henoy tsara izay lazain’i Jesoa (and 15)
« Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny tompoko, ianao mahalala fa tia anao aho ». Intelo niverina tamin’i Petera io fanotaniana io, ary nalahelo izy ny farany satria nihevitra izy fa tsy matoky ny fitiavany azy i Jesoa. Ary mahavariana amin’i Petera tokoa fa tsy vao izao izy no miresaka amin’i Jesoa kanefa tsy azony izay lazain’i Jesoa. I Jesoa mantsy manontany fitiavana (Agape) ary i Petera kosa mamaly milaza fitiavana (Fileia). Dia tsy nifankahazo ny resaka. Koa manomboka anio, atongilano tsara ny sofina, mihaino izay tena tian’i Jesoa ambara aminao!
2. Mivonona hanaraka an’i Jesoa (and 19)
« Manaraha Ahy » hoy i Jesoa mamarana ny resaka nifaonavany tamin’i Petera. Ny hevitr’izany dia izao, tsy teny fotsiny no ilain’i Jesoa hanehoana ny fitiavana Azy (intelo nilaza hoe tia an’i Jesoa mantsy i Petera) fa asa ihany koa. Raha mitaona an’i Petera hanaraka Azy i Jesoa dia ny hanohy ny asany (hiandry ondry, hamahana ny ondry) no ilan’i Jesoa azy. Tsy resabe na teny maro no ilain’i Jesoa amintsika fa ny fahavononantsika hiasa ho Azy. Ka raha milaza fa tia an’i Jesoa isika, dia andraikitsika ny mamahana ny ondrikeliny, ka tsy tokony hisy noana na mosarena ireny ondry ireny, ka moa manao izany tokoa ve isika? Raha tia an’i Jesoa isika, dia hiandry ny ondriny, fa moa tena miandry ny ondriny tokoa ve isika, ny ao am-bala ve voahazona sy tamana? Ny ondry nania ve efa notadiavina ka hita? Tsy vitan-teny ny fitiavana fa mitaky asa aman’andraikitra koa!
Fanontaniana
Hatraiza marina ny fitiavanao an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe