1 Mpanjaka 3. 5-15

Tantara anankiray anisan’ny tena mahaliana sady miavaka ao amin’ny Soratra Masina ity anjara mofonainantsika anio ity fa tantaraina ato ny safidy tsara nataon’i Solomona mpanjaka. Mihasinkasina ato koa anefa fa Andriamanitra dia :

1. Mihaino ny mpanompony (and 10)

« Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan’i Solomona izany zavatra izany » hoy ny fitantarana, Raha mitopy eo aloha isika dia hahita fa raha ny marina dia Andriamanitra mihitsy no milaza amin’i Solomona hoe: « Angataho izay tianao omeko anao » (and 5); maneho amintsika izany fa tena zava-dehibe Aminy ny fangatahan’ny olony. Izay miavaka eto koa dia ny zavatra nangatahan’i Solomona, tsy mba vola aman-karena na fijanonana ela eo amin’ny fitondrana, na ihany koa famelezana ny fahavalo fa fahendrena. Raha mba ny mpitondra rehetra mantsy no manana izao toe-po ananan’i Solomona izao dia hiadana ny vahoaka satria manana mpitondra hendry (fahendrena avy amin’Andriamanitra fa tsy filozofia)

2. Marina amin’ny teniny (And 16 ss)

« Ary tamin’izany dia nisy vehivavy janga nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany« . Tena nomen’Andriamanitra tokoa izay nangatahan’i Solomona, nahazo fahendrena izy, ary teo amin’ny tantara dia tsy nisy toa azy. Ny fitantarana dia maneho amintsika eto fa raha vao namaly vavaka Andriamanitra dia mitohy amin’ny fanaporofoana fa izay nolazainy dia ataony tokoa. Ka dia fitsarana vehivavy roa niady zanaka no tohin’ny tantara. Eto no miharihary fa tsy mampanantena poakaty Andriamanitra, izay nekeny homena dia omeny tokoa. Fitsarana sarotra no niseho teto, nefa dia niharihary ny fahendren’i Solomona. Raha ianao re no teo, inona no nataonao?

Fanontaniana:

Mba inona re no angatahinao amin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe