Efesiana 2. 11-18
Jesoa Kristy nampihavana antsika
1. Nandrava ny efitry ny fisarahana
…mba hanakambanany antsika roa tónta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana» (And. 15) « Ny fikasan Andriamanitra hampiombona ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny famonjena dia tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy, fa tsy tamin’ny lalana. Taloha no nisy fanavahana ny vahoaka Jiosy sy ny Jentilisa. Ankehitriny kosa, efa nampihavanina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra Izy no nampihavana antsika samy olombelona. Noho izany, efa olom- boavonjy isika ka tokony hiaina ny famonjena efa noraisintsika tamin’i Jesoa Kristy. Tokony ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny namantsika isika. Koa iaino ny fampihavanana nataon’i Jesoa Kristy.
2. Nitory filazantsara tamintsika
<< Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra… >>> (And.17) Raha tonga tety amin’izao. tontolo izao i Jesoa Kristy, dia nanambara ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona rehetra, na tamin’ny Jiosy na tamin’ny Jentilisa. Ka ny olona rehetra nino ny tenín’i Jesoa Kristy no afaka manatona an’Andriamanitra Ray. Ny asan’ny Fanahy Masina mandresy lahatra ny olona no mahatonga izany olona izany hanatona an’Andriamanitra Ray. Ka ny olona izay nino ny tenin’i Jesoa Kristy no nandray ny fampihavanana natao, na Jiosy na Jentilisa. Natao ho an’ny olona rehetra ny fampihavanana nataon’i Kristy. Koa minoa ny tenin’i Kristy fa fampihavanana amin’ny Ray izany.
Fanontaniana
Ahoana ny iainanao ny fampihavanana vitan’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe