Lioka 5. 33-39

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy

1. Mahaleo tena

« Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta… » (And. 36) Amin’i Jesoa, tsy afaka mifandray ny lamba vaovao sy ny lamba tonta. Entina ilazana ny fampianaran’i Jesoa izay fampianarana vaovao sy ny fampianaran’ny Fariseo. Ny fampianaran’i Jesoa no mamotika ny fampianarana taloha. Noho izany, tsy azo afangaro ireo fampianarana roa ireo. Mila azontsika izany, fa ny fampianarana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy azo afangaro amin’ny fivavahana hafa sy ny fombam-pivavahana hafa. Mahaleo tena, miavaka, manokana ny fampianarana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Koa taomina ianao, aza afangaro amin’ny fivavahana hafa sy fombam- pivavahana hafa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

2. Mitaky fihavaoza

Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditro vaovao. (And. 38) Amin’i Jesoa, maro ny olona tia ny divay ela satria mamy sady tsara fa ny divay vaovao kosa mahery sy mafaitra kokoa. Ny fiainam- baovao nentin’i Jesoa dia tsy mifanaraka amin’ny toetran’ny olombelona. Noho izany, tsy maintsy manaiky mihavao ilay olona izay vao mahay mandray sy mahazaka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ka ny olom-baovao no mahay ny fiainam-baovao entin’i Jesoa Kristy. Koa tsy gaga isika raha misy olona tsy mahazaka ny filazantsara satria tsy mbola nihavao izy, ary aleony ihany mihazona ny fampianarana tranainy, izay tsy araka an’i Kristy. Meteza ho olom-baovao.

Fanontaniana

Inona no sakana tsy andraisanao sy hiainanao ny Filazantsara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe