Asan’ny apostoly 3.9-16
Jesoa Kristy no Tompo
1- Novonoin’ny olona i Jesoa Kristy
Raha araka ny fandaminan’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olombelona ary koa mba ho famonjena ny olona mpanota, dia nafoin’Andriamanitra i Jesoa Kristy ho faty hisolo voina ny mpanota ary ho fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana mba hananan’izay mino Azy fiainana mandrakizay (jereo Jao 3. 16; Heb 9. 22). Ankilan’izay anefa, ny fihetsiky ny olona dia tena manohitra izany drafi-pamonjen’ Andriamanitra izany ka indro nanao izay hahafaty an’i Jesoa Kristy ny olona, araka ny hita eto (and 13 14). Izany no hilazana fa novonoin’ny olona indrindra i Jesoa Kristy.
2- Novelomin’Andriamanitra kosa anefa Izy.
Tsy nijanona teo anefa ny zava-nitranga satria araka ny tohin’ny toe-javatra dia nasehon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona indray fa manana hery sy fahefana handresy ny fahafatesana Izy. Asehon’i Petera amin’ireto olona manatrika azy àry fa afaka mamelona ny maty io Andriamanitra io. Araka ny voalazan’ny tantara koa dia mbola aely mandraka ankehitriny izany tsy finoana ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany (jereo Mat 28. 15). Koa minoa ianao fa aza mba ho isan’izay tsy mino.
3- Manan-kery sy fahefana mamelona ny maty ny Tompo
Raha ny hevitra sy ny fahefan’ny olona dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony amin’ity lehilahy izay malemy tongotra ity fa dia napetraka mba hangataka fiantrana amin’izay mandalo sisa no azo atao aminy. Amin’ny olona izany dia tahaka ny efa maty ny tongony ka tsy afa-hitsangana mandrakizay intsony izy. Hita eto anefa araka fisehoan-javatra fa diso izany lojikan’ny olona izany satria afaka manangana ny maty Andriamanitra.
Fanontaniana:
Misy afaka handresy ny fahafatesana ve?
Sampana Sekoly Alahady Foibe