I Korintiana 6. 1-11

Manamasina ny tenany ny mpino satria:

1- Mandefitra ny tsy rariny

Resahin’ny mpanoratra eto fa raha misy zavatra mampifanolana eo amin’ny samy Kristiana dia tokony ho voalamina eo anivon’ny Fiangonana izany fa tsy entina eo amin’ny fitsarana. Ambaran’i Paoly fa henatra ho an’ny Kristiana ny mitondra ny raharaha momba azy hotsarain’ny tsy mino. Asaina mandefitra isika manoloana ireo tsy mino na dia ho heverina ho tsy rariny aza satria nampianarina handefitra amin’ny zavatra rehetra isika, sady mpanompo rahateo. Tsy ny fandreseny na ny fahareseny eo amin’ny fitsarana no resahina eto fa ny fandreseny na ny fahareseny amin’ny maha mpino azy. Tsy mahafaty antoka ny mandefitra mba hisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra.

2- Efa nohamasinina sy nohamarinina

Ambaran’ny mpanoratra amin’ny mpamaky fa efa nanana ny lasany koa ny sasany tamin’ireo Kristiana tao Korinto ireo, fa saingy navahana tao anatin’ny maro noho ny fandraisany an’i Jesoa Kristy ho Tompon’ny fiainany. Nohamasinina noho ny asa manokana izay nanolorany tena sy nanaovam-panekena. Nohamarinina izay azo adika koa hoe: nafahana, nambara fa marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tsy misy olona azo hamarinina afa tsy amin’ny fanavotan’i Kristy

Fanontaniana:

Amin’ny maha Kristiana anao, iainanao amin’ny fotoana rehetra ve ny fandeferana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe