Levitikosy 25. 8-13
Ny amin’ny taon-jobily
1- Mitsofa anjomara
Izay voalaza eto amin’ity toko 25 ity dia mifantoka amin’ny fotoana roa mifandray, dia ny momba ny taonan’ny Sabata. (25.1- 7) sy ny taon-jobily (25.7-14). Tsy maintsy manaraka ny lamina izay efa napetraka anefa ny fankalazana ny taon-jobily. Anisany tsy maintsy natao ny fitsofana ny anjomara mba ho ren-tany ho fampahafatarana ny vahoaka. Zava-dehibe amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny taon-jobily ka rariny raha toa ka tsofina ny anjomara mba handre sy hahafantatra ny rehetra. Toetra telo no mampiavaka ny taon-jobily dia: ny fanafahana ny Israelita mbola andevo; ny famerenana amin’ny fianakaviana ny fananan-drazany izay efa namidy; navela tsy hisy volena ny tany. Noho ireo zava-dehibe ireo dia notsofina manerana ny tany ny anjomara.
2- Hamasino ny taona faha dimampolo
Izao taon-jobily izao dia arahana fepetra toy ny hoe: fiantsoana fanafahana, mody amin’ny tany sy ny fianakaviany avy; aza mamafy, aza mijinja izay maniry ho azy, ary aza mioty amin’izay tsy namboarinareo, samia mody any amin’ny taninareo avy. Masina ny taon-jobily, ary ho masina toy izany ihany koa ny vahoakan’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Midika inona eo amin’ny fianano ny taon-jobily?
Sampana Sekoly Alahady Foibe