Jaona 12. 37-43
Ny olona mino ny teny fahazavana
1- Miala amin’ny tahotra
« Kanefa maro tamin’ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky…. » (and. 42). Rehefa nampianatra i Jesoa Kristy, dia voalaza eto fa nisy tamin’ireo mpanapaka, na ny mpikambana tao amin’ny Synedriona no nino Azy, Kanefa, na día nino aza izy ireo, dia tsy sahy nanao fanekem-pinoana noho ny tahotra. Natahotra izy ireo sao ho voaroaka hiala tao amin’ny Synagoga. Araka izany dia mety ho sakana tsy ahafahan’ny olona mino sy maneho ny finoana an’i Jesoa Kristy ny tahotra ny firaha-monina. Mety mahazo ny mpino kristiana ankehitriny koa izany. Mila mandresy ny tahotra ny mpino fa tsy ho menatra araka ny voasoratra hoe: « Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina. » (Lio. 9:26)
2- Misafidy ny voninahitr’Andriamanitra
« Fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. » (and. 43). Ireto mpanapaka ireto, izay nino an’i Jesoa Kristy kanefa tsy sahy naneho izany finoana izany ampahibemaso, dia nanao izany ho fiarovana ny voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina. Nanamaivana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra izy ireo noho ny voninahitra eto an-tany. Naleon’izy ireo nampandefitra ny finoana an’i Jesoa Kristy mba ho fiarovana ny tombontsoany manokana. Marihina anefa fa ny tena finoana marina an’i Jesoa Kristy dia tsy mitady voninahitra ho an’ny tena manokana, fa manome lanja ny finoana Azy ka mametraka izany ho laharana voalohany eo amin’ny fiainana. Omeo voninahitra i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy irosoanao amin’ny finoana bebe kokoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe