2Samoela 22.8-20
Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra
1- Ho fandresena ny fahavalo
« Dia nandefa zana-tsipika Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. » (and. 15). Ity dia tononkira nataon’i Davida ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny nandreseny ny fahavalony. Maro ny fahavalo niady tamin’i Davida, toy ny Filistina, i Saoly, sns. Tamin’ireny rehetra ireny dia nandresy Andriamanitra. Araka izany, ny fahavalon’ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia fahavalon’Andriamanitra. Andriamanitra dia miara-miady amin’ny olom-boafidiny ka mampandresy azy ao anatin’izany ady izany. Nandresy ny fahavalontsika Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary ny lehibe indrindra amin’ireny fahavalo noreseny ireny, dia ny fahafatesana. Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra dia fandresena ny fahavalon’ny mpino.
2- Ho famonjena ny vahoakany
« Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. » (and. 18). Nambaran’i Davida tao amin’ny tononkirany ihany koa fa ny fandresen’ Andriamanitra ny fahavalony, dia midika ho famonjena azy. Raisin’ Andriamanitra ho voninahiny ny fandresena ny fahavalo mba ho famonjena ny olom-boafidiny. Ary izany no tokony ho ao amin’ny mpino, resen’Andriamanitra ny fahavalonao mba hisitrahanao ny famonjena avy Aminy. Izany koa no antony nanomezany an’i Jesoa Kristy ho mpamonjy antsika. Mba ho famonjena izay rehetra mino, dia nanaiky handresy ny herin’ny ota, satana, ary izao tontolo izao Izy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.
Fanontaniana:
Inona avy fandresena efa noraisinao avy tamin’ny Tompo? Ahoana ny niainanao izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe