Ny olona midera an’Andriamanitra
1- Mahatsapa ny famindrampony
«ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao»
Nidera an’Andriamanitra ny mpanao Salamo noho ny fahatsapany ny famindrampon’Andriamanitra taminy. Rehefa avy nandray famelan-keloka tamin’ny fifonana nataony i Davida tao amin’ny Sal.51, dia nihira ity Salamo ity. Andriamanitra marina i Jehovah ka tokony homena voninahitra, eny, na dia ny mpanjaka aza dia tokony hidera Azy. Ny olona mahatsapa ny famindrampo avy amin’Andriamanitra no midera Azy ao amin’ny fiangonana, dia ny fiangonana izay toerana ihaonana amin’Andriamanitra noho ny maha- vatan’i Kristy azy. Koa omeo voninahitra, noho ny famindrampony tao amin’i Kristy Andriamanitra.
2- Mahatsapa ny fitsinjovany ny malemy
«Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny» (and.6)
Miaiky ny mpanao Salamo fa miavaka izany Jehovah Andriamanitra izany satria na dia lehibe sy be voninahitra aza, dia mijery manokana ny manetry tena eo anatrehany. Mankahala kosa ny mpiavonavona ary ny mpiavonavona dia tsy misitraka ny famindrapon’Andriamanitra. Vokatry ny fanetren-tena no andraisana ny famindrapon’Andriamanitra. Manoloana izany, manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, aza miavonavon-kevitra, na mihevitra ny tena ho ambony eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy ho hain’olombelona anefa izany raha tsy mianatra sy mijery an’i Jesoa Kristy izy. Izay manana ny fanetrentena tao amin’i Kristy no mahay manome voninahitra an’Andriamanitra
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy anomezanao voninahitra ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM