SALAMO 76.1-12

1-Miahy ny olony Andriamanitra

  • Ny Zanak’Isiraely no firenena nofidin’i Jehovah ho lovany. Fantatra eo amin’ny Joda Izy, ary malaza eo amin’ Isiraely. Monina ao Ziona ao amin ‘ ny Tempoliny Izy.
  • Ny fiorenan’ny Tempoliny ao Ziona dia manambara ny fanatrehany ny Zanak’Isiraely olony. Na dia mizaha toetra ny Zanak’Isiraely aza Azy indraindray dia maneho ny fitiavany sy ny heriny koa, ka notapatapahany ny zanatsipikan’ny fahavalo mbamin’ny sambatra sy ampinga ary ny fiadiana rehetra. Mametraka fiadanana ao Joda sy Jerosalema Izy ary tsy misy velively ny fiadanana raha tsy avy amin’ i Jehovah irery ihany.
  • Nataon’i Jehovah ankona tsy nahetsika ny tànany ireo olo-mahery ary renoky ny torimaso ireo mahery fo. Miasa Jehovah ka iza no mahasakana izany?
  • Toy izany ny fiahian’i Jehovah anao amin’ ity 2024 ity. Hanorina fiadanana ho anao Izy raha mety ianao. Tsy hambinina ny fiadina rehetra tadiavin’ny fahavalo hamelezana anao. Ho renoky ny torimaso ireo mahery fo mitady hanafika anao. Ho sasa-poana ny fahavalonao sy satana rafinao fa tsy hahita hirika hamelezana anao. Mitonia fa manana Mpiahy tonga lafatra ianao.
    2- Mitsara marina Andriamanitra
  • Ho avy Izy hitsara ka hamonjy ny mpandefitra. Fitsarana avy any an-danitra izany ka raikitahotra ny tany sady sina. Hifehy ny fahatezerany ny Tompo manoloana izany fitsarana marina tsy azo ivalozana izany.
  • Na ho avy aza ny fitsarana anao dia aza matahotra na mivadipo ianao. Tsarovy fa Ilay Sakaiza tena tia anao ihany no hitsara anao. Nisolo heloka anao teo amin’ny hazofijaliana Izy ary tena tiany sy maminy indrindra ianao. Io sakaiza tsara io no hitsiky aminao amin’ny fitsarana ka hiteny aminao hoe : »MIDIRA amin’i ny FIFALIAN’NY TOMPONAO ». Mitaky finoana avy aminao anefa izany.
    3– Efao ny voadinareo amin’i i Jéhovah Andriamanitra
  • Fotoana fanefana ny voady izao taona vaovao izao. Tanteraho izay nambaranao taminy. Tanteraho ireo fanekena rehetra nataonao. Tsarovy fa fanavaozana fanekena sady fanavaozana fanolorantena ity taombaovao ity.

Ramamonjiarisoa Robert,Mpitandrina