Ezekiela l. 26 – 28

Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.

Naneho ny voninahiny tamin’i Ezekiela mpaminany Andriamanitra. Avy amin’izany no ahatakarantsika fa ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra dia:

1- Manambara ny fanatrehany.

Asehon’Andriamanitra amin’ny endrika sy ny toetra ary ny fomban’olombelona ny fahalehibeazany. Manamafy izany ny fahitan’i Ezekiela ny seza fiandrianana ny fisian’ny endrik ‘olombelona mipetraka eo amboniny (and.26), ary ny fandrenesana feo (and.25, 28). lzany fahitana izany dia mampitodika antsika amin’i Jesoa Kristy, Ilay Andriamanitra nifidy haneho ny tenany amin’ny endrik’olombelona. Na izany aza, miavaka ny fisehony: seza fiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira, endrika mamirapiratra toy ny vy mangirana sy voahodidina afo (and,27- DIEM), hazavana mamirapiratra manodidina toy ny tarehin’avana amin’ny andro manerika. Mampiseho ny halehiben’ny voninahitr’ Andriamanitra izany.

2- Manambara ny fahamasinany.

Ny fisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra no porofon’ny fanatrehany miaraka amin’ny fahamasinany. Tsy afaka ny hifanatrika amin’izany ny olombelona. Hany ka rehefa nahita izany rehetra izany ny mpaminany i Ezekiela dia nikarapoka nihohoka tamin’ny tany (and.28). Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa noho ny amin’i Jesoa Kristy dia mahita izany voninahitr’Andriamanitra izany isika, amin’ny alalan’ny fandraisana ny herin’ny Fanahy Masina. Velona ho amin’ny voninahitr’ Andriamanitra isika, amin’ny maha mpino antsika mba hahatonga Azy homem-boninahitra ao amintsika.

Fanontaniana:

Ahitana taratry ny voninahitr ‘Andriamanitra ve ny fanompoam- pivavahana ao am-piangonana ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM