Lioka 1.46-56
Ny foko mankalaza ny Tompo…
Ny antony nahatonga an’i Maria renin’i Jesoa hankalaza an’Andriamanitra no hitantsika amin’ity anio ity:
1- Fa efa nijery ny fahambanian-toetry ny ankizivaviny Izy

Niandry fatratra ny amin’ny fiavian’ny Mesia tokoa ny Jiosy. Raha ny feheverana amin’ny maha- olombelona dia ampoizina fa zanaky ny mpanjaka, na zanaky ny olona armbony sy manankarena no hofidin’Andriamanitra ho renin’ny Mesia. Tsy nanao izany Izy, fa nifidy vehivavy tsotra, feno fanetren-tena. Tsy midika akory izany fa tsy tian’Andriamanitra ny olona ambony sy manana ny maha- izy azy, fa mba hanehoana amintsika kosa ny fitiavan’ Andriamanitra mahatratra ny olona rehetra. Mahatsiaro ho manana ny toerany eo anivon’ny fiaraha-monina i Maria, noho ny famangian’ny Tompo azy. Hita izao, fa Andriamanitra mihitsy no miandany amin’ny olona izay voahilikilika sy atao tsinontsinona.
2- Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny Izy…(and.51)
Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy eto amin’ izao tontolo izao dia manova ny fomba fijery ny rafi-piaraha-monina misy : amindrany fo hatramin’ny taranany ireo izay manaja Azy (and.50), mampihahaka ny mpiavonavona Izy, manala ny lehibe amin’ny seza fiandrianany Izy, fa hanandratra kosa ny olona izay natao tsinontsinona (and.52) . Vokisany soa ny olona noana, fa ny mpanankarena kosa alefany mody maina. Azo takarina avy amin’izany fa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no anjakan’ny tena fahamarinana, izay manome zo ny olona rehetra hahazo famonjena, ary manafoana ny fanambonian-tena sy ny fampanjakana ny tsy rariny sy ny fifanilikilihana eo amin’ny samy olombelona.
Fanontaniana:
Nahoana no vitsy ny vehivavy manana andraikitra lehibe eo amin ‘ny Fiangonana na firenena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM